La vie d'ici et d'ailleurs (Tritriva)

Bienvenue ! Tonga soa ! Welcome !

Ao anatin’ny foko ao

Classé dans : TONONKALO — 9 octobre, 2008 @ 14:23

191039476.jpg  

Ao anatin’ny foko ao !
Misy Nosy feno vininkazo,
Mandeha ny andro sy ny volana,
Miandry ahy ny taniko.

Voninkazo Pervenche de Mada !
No mameno ny saiko izao,
Sy ireny Flamboyant menamena,
Ny taniko manambaka volamena.

Ny masoandro mibaliaka !
Ilay Nosiko feno Jacaranda,
Ny rivotra mikalo moramora,
Miantso ny zanany là-bas.

Ao anatin’ny foko ao !
Misy Jatropha curcas,
Nosy toy ny Oiseau du Paradis,
Manimanina anao izaho aty.

Tritriva 29/08/08

**************************************************************************

                                   MANIMANINA IZY !

Ao anaty fony,
Feno voninkazo,
Ary dia mamony,
Ary tsy malazo !

Ho an’ny tanindrazany,
Miloko maromaro,
Vony isan-karazany,
Ho entiny mahatsiaro.

Manimanina izy !
Manina ny ankany,
Ny fony mihizihizy,
Oh ! lavitra ny any.

 

 DdRb 
http://dadarabe.blaogy.com/
http://www.freewebs.com/dadarabe/  

Pas de commentaire »

Pas encore de commentaire.

Flux RSS des commentaires de cet article.

Laisser un commentaire

 

MES HUMEURS AU FIL DES JOURS |
laguyane |
Rapport Prévention Charleroi |
Unblog.fr | Annuaire | Signaler un abus | designdemyself
| DIEGO
| ya est la