HENOKO INDRAY ! DadaRabe – Poeta Malagasy –
HENOKO INDRAY !
Henoko indray ilay fitiavako iny ,
Fitiavako fahiny,
Fa tsikinao nandalo iray minitra monja…
Dia indro fa nanonja,
lay hiaka ato anaty
Nataoko ho efa maty !
Henoko indray ilay doboky ny foko,
Ilay tanako toloko,
Miandry ilay anao hitantana ny ahy,
Izaho anie tsy sahy :
Fa tamin’ireny mantsy !
Zaza nifampihantsy.
Henoko indray ilay hafanana kely,
Tsy haiko velively !
Nananika ny lohako sy saiko manontolo,
Nofohaziny daholo !
Fa toy ny afo-mololo
Mirehitra nandoro !
Henoko indray kanefa…aoka ho any !
Mandalo fotsiny ihany !
Ny lalantsika akia, efa nisampana ela !
Tsy nisy mba tavela
F’ilay fitiavana iny…
Natelin’ny fahiny !
DadaRabe
27/08/08
*************************************************************************************
Natelin’ny fahiny iny fitiavana iny ,
Ny lalantsika r’ise, efa ela no nisaraka
Tsy hiverina intsony ary lasa sory
Ireo fahazazana sy fahatanorana.
Hamoronana tononkalo
Sovenira soa, sary efa vony
Nalamina ao anatin’ny vata sarihana
Rehefa tsy mahita tory r’ise
Dia mitady teny sy soratra monja
Amoronana tononkalo
Ny fiainana izao ahitana sorisory
Soa ihany fa mbola misy ny fitia
Fifaliana misy koa, indrindra alahady
Fa eo daholo ny havana tiana
Hamoronana tononkalo
Fanasitrànana sorisory ny tononkalo ka tohizina ihany …
Misaotra DadaRabe !
Tritriva 28/08/08
Laisser un commentaire
Vous devez être connecté pour rédiger un commentaire.