Ry sombinaina
Ry sombinaina
Ho anao ry sombinaina,
Voankazo ny fitiavana,
Nitombo moramora,
Tao anatiko ao.
Niandry aho isan’andro,
Niambina ny ainao,
Fotoana sarobidy,
Nahafeno ny fanahy.
Dia indro ilay andro,
Nahitanao masoandro,
Zava-soa nitomany,
Naterak’i neny.
Zà sy ianao nifampijery,
Sy niaraka nitsiky,
Ry ilay nantenaina,
Nahafinaritra indrindra.
Avy aho dia nidera,
Ny anjely kelinay,
Zazakely tsara tarehy,
Vokatry ny fitiavana.
Tritriva 26/08/08
*************************************************************************************
Tonga ety an-tany
Hiaina andro mamy
Anilan’ireo havana
Voarakotra fitiavana
Izy ilay nirina
Izy ilay tiana
Izy ilay nandraina
Izy ilay nilaina
Androm-boninkazo
Andro feno vazo
Andro feno aina
Androny maraina
2 commentaires »
Flux RSS des commentaires de cet article.
Laisser un commentaire
Vous devez être connecté pour rédiger un commentaire.
Bonne fin de soirée
*
Je ne parle pas le malgache…donc pas compris
*
Amicalement
Dernière publication sur POURQUOI PAS : Décembre ?
Merci osee d’être passé voir mon blog , oui il y a des sujets écrits en malgache et d’autres en français .
J’essaie de bien mettre tout ça dans des catégories différentes .
Comme je disais, c’est encore un peu le fouilli .