La vie d'ici et d'ailleurs (Tritriva)

Bienvenue ! Tonga soa ! Welcome !

Archive pour le 10 novembre, 2008

JAKARANDAMY de Lolo sy ny Tariny

Posté : 10 novembre, 2008 @ 1:29 dans TONONKALO, VIDEO | 3 commentaires »

Image hébergée par Casimages.com : votre hébergeur d images simple et gratuit

Hafahafa hoa ny tontolon’izy iny
Jakarandamy mipôpôka
Fofontany mando koa mba tiany
Rehefa volana octobra

Orana mitendry ny fanitso
Izay no hira tiany indrindra
Ilay masoandro mody amonjy ampitso
No sinema ny takariva

Izy tsy nanao cahier de sovenira
Ilay alefa mandedeha
Tsy nanongona sarina mpihira
Ho atao peta-drindrina

Nampatahotra azy ny balaon’ny ala
Tabataba matimaty ity
Nampanofy ratsy nofy nofy adala
Na maraina aza tsy adino

Ozo volafotsy tevy karaina
Tazako eny an-tratrany
Io no nanome ahy azavana
Nanoro ahy ny anarany

Lasa bitsibitsiko isan’andro
Rehefa izahay mba mifanena
Lasa hirahirako atoandro
Nofiko adivaraina

Ka nitoetra teo iny fitiavako iny
Tsy mba nisy resa be
Arahaba iray tsikiny midify
Samy lasana nandeha

Samy mba nanohy ny heritreriny any
Ny azy anie tsy fantatro
Fa ny ahy niova hira ihany
Asa izay na ho tsapany

Hafahafa hoa ny tontolon’izy iny
Jakarandamy mipôpôka
Fofontany mando lasa tiako
Rehefa volana octobra
Rehefa volana octobra

Lolo sy ny Tariny 

Image de prévisualisation YouTube

 

MES HUMEURS AU FIL DES JOURS |
laguyane |
Rapport Prévention Charleroi |
Unblog.fr | Annuaire | Signaler un abus | designdemyself
| DIEGO
| ya est la