‘Njao ny Tany Mitaraina – Voilà Gémir la Terre
ANTSIVA – FEMME MALGACHE
PASTEURE – ENSEIGNANTE ET ECRIVAIN – MPITANDRINA -
MPAMPIANATRA SY MPANORATRA
LA PLANETE N’EN PEUT PLUS ! …
‘NJAO NY TANY MITARAINA
VOILA GEMIR LA TERRE
Tamin’ilay mamatonalina, ‘njao ny tany mitaraina.
Sento avy amin’ny fara lalina miandrandra ilay maraina.
Tsato- defona mavany no natrabaka ny fony.
Ory izy, toran-tany, toa hila tsy hahatraka intsony.
Tamin’ilay mamatonalina, ‘njao ny tany fa mitroatra.
Troatra avy amin’ny fara lalina, izay mandoro sy mandroatra.
Antsiva, Frantsa, martsa 2002
VERSION FRANCAISE
Au milieu de la nuit, voilà gémir la terre.
Des soupirs surgissant de la profondeur attendant l’aurore.
Des sagaies sans vergogne ont criblé son coeur.
Elle était affligée, pleurait à chaudes larmes comme si elle n’arrivait plus à se ressaisir.
Au milieu de la nuit, voilà s’enflammer la terre.
Une incandescence venant du fond du gouffre, à la fois brûlante et effervescente.
Antsiva, France, mars 2002
http://www.freewebs.com/antsiva
———————————————————————————
MARARY IZAO TONTOLO IZAO
Marary izao tontolo izao
Miandra fiainana vaovao,
Midridridridy mahonena
Fa maradratra sy ferena.
Efa hatramin’ny ovian-tany
No nitolokoany toa izany !
Ny raho-mainty tsy misava
Ka miandra vonjy lalandava.
‘Njao ny fony fa miontana !
Rahon’ady sy korontana
No mitambatra ho disadisa
Ka toa ho nofy izany paradisa.
Angamba indray andro any
Hiova ho tsiky ny tomany,
Ny dridridridy tsy hisy intsony,
Ho faly, ho ravo izany fony.
Antsiva, Frantsa, jona 2003
———————————————————————————
HANA E NY NATIORA !
FIOMBONANA AINA AMIN’NY NATIORA
Ry rivotra mitsoka tsy fanta-piaviana,
Hana e ny natiora fa vesaram-pahoriana !
Jereo ange : ny sahobakàka ambody riana
Aza toa mitaraina hoe : « mandra-pahoviana ? »
He ny kiakiakan-tany noho ny doro tanety !
Ireo rava-namikirany dia nafoiny vetivety.
Mba te hanavotra aina ireo biby anaty ala :
Atody miady amam-bato, rifatra, mivoajamala.
Fa mavany tokoa izato endri-kasomparana.
Ny mpamono afo efa mitandro hasasarana
Nefa mbola misy foana. Rahoviana no hifarana ?
Mangentana ny tany. Mba aiza koa re Raorana
Fa makiana izany ravina ? Ny fo mangorangorana
Mahita ny zava-boaary te hiano-pahasambarana.
Antsiva, août 2005
Un commentaire »
Flux RSS des commentaires de cet article.
Laisser un commentaire
Vous devez être connecté pour rédiger un commentaire.
Bonsoir Tritriva
C’est vrai que la terre est détruite par les hommes!
Je te souhaite une bonne nuit.
Bises
Francine
Dernière publication sur Mes émotions : A cette enfant que j'étais °°°°°