FITIAVANA – AMOUR -
http://www.freewebs.com/radopoete
FITIAVANA
Izay hoe fatiantoka ? Tena tsy fantany
Fa vonon-kanolotra izay sarobidiny
Na dia hikosoka izay famiratany
Raha toa hahasambatra ilay nofinidiny.
RADO, 1982 – ZO takila faha-131
L’AMOUR
Le mot « perdant » ? Il ne connaît pas
Car il est prêt à tout donner
Et veut bien se sacrifier
Pour rendre heureux son être cher.
RADO, 1982 – ZO p. 131
ISAORAKO
Dia isaorako indrindra izay nanao ny fitiavana
Na izay namorona azy ho an’izao tontolo izao
Io no nahatonga anao tsy ho nanana fandavana
Raha nandramako noraisina ny ratsan-tananao.
Dia ho nisy ve ny oro-tsarobidy mamy indrindra
Raha tsy nisy ny fitia nampitombo izany tsirony ?
Dia ho vitantsika ve ny niaraka namindra
Tao anay aizim-pito raha tsy ny fitia no jirony ?
Fa dia iza moa ianao no dia sahiko imatesana
Raha tsy tao ilay Fitia nanao izany ho hasambarako ?
Notendreny koa ianao hankafy ny fandrenesana
Ny tononkaloko rehetra nosoniavin’ny anarako.
RADO, 28 aprily 1996
MERCI
Je remercie infiniment celui qui a créé l’amour
Ou qui l’a fait exister pour l’univers entier
C’est grâce à lui que tu n’as pas dit non
Lorsque j’ai essayé de te prendre les doigts.
Y aurait-il eu ces baisers à ce point doux et précieux
Si l’amour n’avait pas augmenté leur saveur ?
Aurions-nous pu accorder le rythme de nos pas
Dans la nuit noire sans la lumière de l’amour ?
Mais qui serais-tu donc pour que je te voue ma vie
Si l’Amour n’était pas là pour en faire mon bonheur ?
Il t’a aussi choisie pour le plaisir d’entendre
Tous les poèmes que j’ai écrits et signés de mon nom.
RADO, 28 avril 1996
Traduction Jeannine Rapiera RALAMBOSON
http://www.freewebs.com/radopoete