Elie Rajaonarison nous a quitté. Tout Malgache devrait se sentir concerné par le décès de ce poète-écrivain qui alliait un talent immense à une rigueur extrême.
Hommage à Elie Rajaonarison : Paix à son âme.
HITENY AHO, HITENY
hiteny aho, hiteny
fa eny rehetra eny
toloko-mena fify miafitr’eny imason’
ny zaza tsisy reny
fa eny rehetra eny
mangidy tora-jofo misosok’eny an-koditry
ny zana-drenireny
mangidy mialin’andro
tsihifiny isan’andro
fa tsy mba mety ritra
…
hiteny aho, hiteny
…
tsy miaina izany ianao
mangidy maizin’andro
mihantona eo am-bozon’
ny olona voaozona
tsy miaina izany ianao
mangovitra isan’andro
mifezaka isan’ora
sao voan’ny taingimbozona
atelin’ireo trozonatsy hiaina izany ianao
tsy hiaina izany mihitsy
mangina mahamanina ny ao an-tranonao
madio no sady manitra
kanto sy milamina
voatemotra hira faly mandrotsy nofy mihanoka
ny lalam-piainanaode tsy henonao akory ny hiaka am-perin’adin’
ny zaza menavava
nateraka hijaly
de tsy henonao mihitsy ny sentom-pitrapitran’
ny zana-dravahoaka
resy tsy afa-niady
…
tsy henonao fa reko
hodianao mody fanina
k’izany no hitenenako
…
sao aho … mba henonao(Elie Rajaonarison, 1989)