La vie d'ici et d'ailleurs (Tritriva)

Bienvenue ! Tonga soa ! Welcome !

Archive pour la catégorie 'TONONKALO'

NY FITIAVANA – de DadaRabe – Poeta Malagasy

Posté : 1 octobre, 2008 @ 1:20 dans TONONKALO | Pas de commentaires »

gngfmwus.jpg      

                                                           NY FITIAVANA

Masiaka foana ny fitiavana
Miakatra foana ny fitiavana
Mampanidina foana ny fitiavana
Mahasalanitra foana ny fitiavana
Mahasambatra foana ny fitiavana
Mahafaly foana ny fitiavana
Mampijaly foana ny fitiavana
Mampitomany foana ny fitiavana

Ny andro mandalo, ny fotoana mandroso.

Ny taona mifandimby, ny fitiavana tsy miova.
Ny ankizy mifankatia menamenatra foana.
Ny Tanora mifankatia safononoka foana.
Ny antitra mifankatia mipirimpirina foana.
Kanto foana ny fitiavana.
 

DadaRabe , 15/07/07  

IRENY TONONKALO ! de DadaRabe Poeta Malagasy

Posté : 1 octobre, 2008 @ 1:01 dans TONONKALO | Pas de commentaires »

pervenchedemadagascar.jpg     IRENY TONONKALO !

Ireny tononkalo
Dia antsa anaty fo,
Sy vazo soa mandalo
Manenika ny loha !

Dia hiran’ny fitia !
Koriana tsy ho tana,
Mikalo ny doria,
Mandrotsy, manafana !

Dia andro vao maraina :
Mpitondra hafaliana !
Manala ny maharary,
Mpizara fitsikiana !

Dia hiaka ahatsiarovana !
‘Reo andro efa dify,
Sy anaty izay torovana
Fa ranomaso ampify.

Dia ainga fiderana !
Sy vavaka ho an’ny maro,
Mitondra fahazavana…
…Ireny tononkalo !

DadaRabe  18/09/08    

 

NY MASONAO * * TON REGARD – de DadaRabe – Poeta Malagasy

Posté : 1 octobre, 2008 @ 12:11 dans TONONKALO | 3 commentaires »

1048389960.gif    Poète , connu surtout grâce à l’internet s’intéresse à tous les évènements de la vie contemporaine (cataclismes naturels , rencontres des grandes nations , hausse du coût de la vie …) et aussi aux évènements nationaux malgaches . Il a écrit plus de 500 poèmes !

                                                              NY MASONAO …

Ny masonao no hitarafako
Ny ampitsoko tsy fantatro,
Ary ireo no hibanjinako ny lalana hombako,
Sy ny savorovorom-piainana tsy afaka raràko,
Izy no aiko,
Ka lazaiko.

Ny masonao no masoandro,
Manazava ny atoandro,
Sy ny alina mangina izay mibaby nofy mamy,
Sy ny fiainako sondriana ary manantena hatrany,
Satry foana !
Ho eo an-taona !

Ny masonao no hitsiloako
Ny haizim-pito tato am-poko
Ka nanjary fifaliana no nameno ny tontolo,
Safononoka sy mihira antsa mirana daholo,
Voninkazo,
Tsy halazo.

DadaRabe,  Aix-en-Provence  12/12/02          20:23 

 <<  Traduction  >> 

                                                            TON REGARD …

Du regard de l’aimé aimant
Est puisée la force et faire face à l’avenir.
L’être aimé aide à affronter
Les durs moments de la vie. 

L’être aimé apporte un peu d’éclat
A une vie assombrie par l’adversité. 
L’être aimé redonne sa saveur
A une vie plongée dans l’amertume.   

L’être aimé pousse à aller de l’avant,
A croire à un lendemain meilleurs,
L’adversité, un bref passage
Laisse place à un monde meilleurs
A deux…
 

DadaRabe    http://www.freewebs.com/dadarabe

Aix-en-Provence   http://dadarabe.blaogy.com/

12/12/02       20:23

Traduction-RAMANATANTARA    http://www.freewebs.com/ramanatantara 

http://helysoa.blogzoom.fr

1...56789
 

MES HUMEURS AU FIL DES JOURS |
laguyane |
Rapport Prévention Charleroi |
Unblog.fr | Annuaire | Signaler un abus | designdemyself
| DIEGO
| ya est la